Mpangataka: Tompokolahy sy tompokovavy
- Raha midona hono ny oran’Akaratra
- Vaky tsipelika ny anjafy
- Raha mipaika ny oram-pitiavana
- Mitsanga-mitoetra ny tia sy ny manina
Isika rehetra eto, toa miramirana
avokoa, fa i njato kosa toa manirery sy toa maloka endrika be ihany. Koa raha
sitrakareo re tompoko mba ento miditra amin’izay ny zatovovavy, fa efa tena
sasa-miandry ny zatovolahy.