Mpamoaka
Sodisodika railovy, mirimorimo ny
andiam-boromanga, manitra vonifanja re tsioka, fa mahatsara vahiny eto
(anaran-tanana) ankehitriny. Anaka! Tonga eto ireto fianakaviana ireto,
mitondra sy manotrona izao zatovolahy izao, mangataka anao ho tokatranony. Maro
ny dinika nifanaovana teto, tsy nanaiky avy hatrany anefa izahay, fa mbola
nanadihady tsara. Ny fanambadiana mantsy tsy indray andro, tsy taom-bitsivitsy
fa mandrakizay. (Koa rehefa vita ny fanadihadiana izany, izao ilay dinika
natao: raha fitinina izay nolazaina dia hoe; tiany tahaka ny tenany hono ianao,
ka raha tsy ny ainy no tapitra tsy foana ny fitiavany).
Resy lahatra tamin’izany valin-teny
nomeny izany izahay ka nekenay ny fangatahana anao ho tokatranon’ i Njato. Tsy
hadinon’izy ireo ihany koa ilay fitenenana manao hoe: « raha tiana hono ny
vary, ny tanim-bary no asian-jezika, raha tiana ny vady, ny rafozana
tsinjovi-mandeha” ka dia nanolotra ny solom-bodiondry izy ho fanajana ireo
nahitanao masoandro. Ka eto imasonao sy ny fianankaviana roa tonta no
hanolorana izany ho an’ireo Ray aman-dreny nahitanao masoandro. Na dia teo aza
anefa izany rehetra izany, ianao ihany no tompon’ny teny farany, ary tsy mety
raha mandeha ila toy ny kiraron’Ibeminaha ity raharaha ity, koa raha ekenao
izany fanapahan-kevitra nataonay izany, araka ilay resaka nifanaovantsika
taloha, dia mangataka anao izahay hihataka kely, sady hitsiky hitodika any
amin’i Njato.
Manaraka izany ny mitelin-kafatra hono,
maha bekibo koa mahafaly anay ny milaza aminareo ny hafatra nampitondrain’i
Mirana ahy: «tokam-po tahaka ny siny hono izy ka tsy manam-po afa-tsy ny rano,
ataony tahaka ny mamoaka omby tokana am-bala ny fitiavany, ka isa dia tapitra.»
Mahazo mifaly ianao Andriamatoa, fa
nitady toko ka sendra vato, nitady tiana ka tojo malala. Mahaiza manana, tohizo
hatrany ny fifankatiavanareo. Maro ny torohevitra efa nataonay taminy,
ataontsika toy ny vakin’alina anefa ireny, ka aleo tafahoatra, toy izay latsaka
an-kady. Ny amin’izay tokony hitondrana ny tokan-trano; ny lahy no lohan’ny
vavy. Ny amin’ny Ray aman-dreny, sao mitsipa-doha laka-nitàna, ny amin’ny
fianankaviana, mba hampitovy ny lavin-kavana roa tonta sy ny sisa marobe.
Indro izy, hiova vohitra hiara-hitoetra
aminareo, aza atao toy ny tsikirity momba fody,
ka vasoka ao anatiny ny betsaka, fa raha
misy tsy mety izay ataony, toroy fa zanakareo.
Ny anjairan-tsorotra raha fararano hono
tompoko, hintsinjovana ny ora-koavy ny hanaovana ny fefiloha raha ririnina,
hisorohana ny loza tondra-drano. Ary ny hilazanay izany dieny ankehitriny,
hiarovana ny ankanjon-janaka mba haharitra.
Koa mahaleova mahalasana hahazaka adidy,
hahatondra andraikitra.
Ho tokantrano hirin’olona fa tsy haniry
olona anie ny tokantranonareo!