Mpamoaka: Tompokolahy sy tompokovavy!
Toa an-dRafotsibe nanandrana anana hono
ka sady tsy milaza ny tsirony no tsy manambara ny tsatsony fa izahay mianakavy
kosa tsy ny tsirony sy ny tsatsony no ambaranay eto fa ny aina sy ny hanitra
aterak’izao fihaonan-tsika mianakavy izao.
Koa tsy havandra hiraraka izy ity ka
hotohanana, fa efa nomenareo tamim-pahatsorana sy tamim-pitiavana ka dia
raisinay am-pifaliana tanteraka. Mamy hono ny fary fa misy fakany, mamy ny
tantely fa misy faikany, fa raha izao ataonareo izao dia tsy misy fakany
hariana na faikany haloa fa sitraka sy telina avokoa.
Tsy vitan’ny hoe nahafa-po anay ny
tokim-pitiavana nambara teo, mbola temerinareo voninahitra ihany koa izahay
tamin’ny fanomezana ny hajam-bolana.
Tsy hamahana na hanisy resaka lava
mikasika ity izahay satria ianareo tsy mpividy olona, izahay tsy
mpivaro-janaka, ary tsy hisy hahaonitra izay rehetra lany tamin’ny nanabeazana
ny zatovovavy ihany koa.
Ny teninay dia hoe:
Mionera be ny lany tompoko. Ho tahaka ny
laingom-boaloboka lohataona anie ny harenareo, handrantsana vao mihamisandratra.
Ho toy ny fidorobok’amboara anie, iray
no tinapaka zato no maniry.
Andriamanitra ilay
manankarem-pahasoavana anie hamaly fitia anareo.
Misaotra indrindra tompoko!