Mpitondra teny avy amin’ny zatovovavy: Kabary savaravina
Tsy hanao tahaka ny vatolahy mijoro amoron-dalana izahay,
arahabain-tsy mamaly, iresahana tsy mivolana, fa anananay ny sofina mihaino, ny
saina mandinika, ny vava miteny, ka ho valinay tokoa ny resakareo teo satria ny
teny ifamaliana mahatsara fihavanana.
Koa misaotra indrindra anareo izahay fa notafianareo haja,
notoloranareo voninahitra; tsy sahinareo natao tany ivelam-bohitra ny
fitiavana, fa nosafidianareo ny dinika ambany tafon-trano koa misaotra
indrindra tompoko.
Manaraka izany, he indray zatotovolahy entinareo.
- Tendrombohitra tsy
mihoatra an’Ankaratra
- Lohasaha tsy mihoatra
an’Ilepona
- Tovolahy tsy mihoatra
anao izao
Vao tery lavitra tery ianareo dia efa nampirisika ny tanora hoe:
“aza asiana resaka lava intsony fa sao ianao manao boka mihalo-poza ka manosika
azy hiverina.”
Ireo Ray aman-dreny indray, izay tsy te hanolo-bato mafana ny
zanany dia nanafatra fa:
“Aoka ianao tsy ho dorokan’ny fidoroboky ny akoholahy
fahavaratra, fa lasan-ko volo fotsiny
ireny. Borahy ny farihy hahitana ny trondro. Savasavao ny fotony hahitana ny
vahany.
Tsy sanatria akory tompoko, zanaka tsy tiana ny anay ka zara aza
misy mpangataka, fa sarobidy loatra aminay izy io. Izy no kalokalo mpampangina
tomany, tsikitsiky fanao ody sento aminay, ka tsy mety aminay ny mihinana
amam-bolony.
Misy koa ny fitenenana manao hoe:
“Tsara ny sora-jandiana fa ny miofo no tsy laitra, na ho tratrin’ny
andro dia vasoka”
Diniho tsara Andriamatoa fa sao dia toy ny ranomaso
teren-tsetroka fotsiny, na fitia alain’ny maso raha jerena afaka ihany, sao
fitia nalaina teny an-pakana kitay ka levona am-pisoronana afo.
Mety hilaza angamba ianareo hoe: nanahoana no dia nanantsafa
tahaka izany indray. Tovolahy hangata-bady ve hanotaniana fitiavana? Ny
manadihady anefa tsy ananan-tsiny tompoko, ny mamakafaka tsy ananam-pondro, ary
amin’ny maha andron’ny fitiavana ny anio, dia tianay ho velon-tsoratra tsara
izany fitiavana izany, ny lasa fantatray fa nahafinaritra, ny anio tsara fa
hanao ahoana kosa lahy ny ampitso, ny ho avy ny mandrakizay?
Tianay ho tanteraka ara-bakiteny ilay fitenenana feno fahendrena
manao hoe:
Raha tiana ho tody ny laka-nitana, avadiho ahitana ny hatevin-damosiny,
raha tiana hateza ny lamba nitafy, tsongoy izany tenony ndrao dia tsy mafy, ary
raha tiana hateza ny fanambadiana ny tokim-pitiavana hanotaniana.
Aza atao hoe mikom-damba anaty zavona izahay, ka manao izay tsy
hifankahitana, fa matoa izahay manao aro riaka raha main’andro, matahotra ny
tondra-drano raha fahavaratra, matoa izahay miadam-pinaritra dia mitady ilay
marin-tampona hijanona. Mba te hahazo toky ireto fianakaviana ireto, koa tena
tianao marina ve i Mirana?