Mpangataka: Tompokolahy sy Tompokovavy
Matoa hono ny kakafotra no be
antsoantso, dia tandindomin’ny oran-koavy, ny omby no mimà, tsy haitraitra
embonembona, ny akoho no mikakakaka asesiky ny atody.
Ary Njato no tonga eto asesiky ny
fitiavany an’i Mirana.
Raha ny tokony ho izy, dia izy mivantana
mihintsy no hamboraka izany, ampahibemaso eto, nefa raha izay no resahiny
tamiko izay, na dia haraina eto aza ny andro, dia tsy ho vita izany.
Koa zaran’ny siny hono, ny miaritra ny
mahangoly, zaran’ny vilany ny miaritra ny mahamay, zaran’ny toko ny mibata ny
mavesatra; ary raha anjara no resahana, fantatra fa ny vitsika aza mba mitondra
izay zakany maika moa fa isika olombelona. Koa anjarako ny mitondra fitenenana
eto ankehitriny. Aza matahotra ianao Njato fa ataoko toy ny vato kolonjy
natelim-boay ny teny nampitondrainao ahy, atelin-tsy lo; aloa tsy miova bika.
Somary gaga ihany tokoa izahay, raha vao
nahare ny fanontaniana natonareo teo, tovolahy hangata-bady ve ho anontaniana
fitiavana?
Nahoana no dia manatsafa tahaka ny mpaka
afo?
Rehefa mandinika anefa izahay dia
misaotra anareo ihany, satria tsy nanafim-bato hanafintohina ianareo na nanao
resaka tokana zary fosa, fa ny volana imaso tsy mba kilema.
Koa misaotra indrindra re tompoko o.
Tsapanay fa olon-tsoa, olom-banona tokoa ianareo no iandrana vovona. Hoy ny tenin’i
Njato hoe: alamino hono ny saina, tonio ny eritreritra fa ny hitsikitsiky tsy
miala amin- kazo, ny mpianala tsy manadino famaky, ny mpiandakana tsy misaraka
amin’ny fivoy, ary ny tovolahy hampaka-bady tsy misaraka amin’ny fitiavana, ka
hoy izy hoe:
Tiany tahaka ny tenany, hono i Mirana;
raha tsy ny ainy no tapitra, tsy foana ny fitiavany. Tiany tahaka ny lamba
landy, ka raha vao reharehany, madio voninahiny, hitafiany raha mangatsiaka,
hisampinany raha faly, hihokonany raha malahelo, hisarongitany raha tezitra,
hisikinany raha miasa. Raha fintinina izany dia: eto an-tany tsy mifandao ary
na any am-pasana aza tsy mifanary.
Raha lazaina amin’ny fomba hafa indray
dia aza matahotra ianareo fa tsy tahaka ny ranon’ando akory ka tsy tratrin’ny
andro maraina, ary natratrany aza manjavona. Fa toy ny loharano tsy
manam-paharitana, ririnina misy hotsifina, fahavaratra be hantsakaina. Fitia
tsy vasokin’ny andro, tsy lefin’ny alina, tsy voaovan’ny taona.
Henonareo amin’izany tompoko ny teny
nampitondrain’ I Njato. Koa mamerina ny fangatahana izahay.
Tsy trano be soa no angatahanay, fa mety
ho ravan’ny tafio-drivotra izany. Tsy vola be am-bata, fa mety ho lasan’ny
mpangalatra izany, fa ilay ho vohitra, ho tokantrano maharitra mandrakizay, ka
raha vitan-jahatra re hono tompoko, ny mita aza safarina amin-tsambo. Raha
naharesy lahatra anareo izay nambara teo dia mino izahay fa tsy hisy
hitsangan-kofefiny na hitsivalan-kohidiny intsony ianareo, fa hanome ny
zanakareo Mirana ho tokatranon’ny zanakay Njato.
Misaotra indrindra tompoko!