Ohabolana:
« Fisaka ny rariny ka
saro-tadiavina »
“Ny rariny tsy
enti-mandafitra”
“Ny fo tezitra tsy
ananan-drariny”
“Ny heloka ibabohana mody
rariny ary ny rariny itompoana mody heloka (na ny rariny itompoana tonga
reniben-keloka)”
“Ny Hendry mody voky fa ny
adala manesika ihany”
“Rehefa nanao no tsy
ambinina, ampisambory fa Havana ory; fa raha miraviravy tanana kosa aleo
hivarina aman-tany”
“Ny rariny toy ny hazo
mahitsy ka tsy hita raha tsy anaty ala, ary toy ny nofy, tsy azo raha tsy matory”
“Ny rariny toy ny nofy, tsy
azo tsy matory”
“Ny kary no manao ny ataony
ka ny saka no voatapa-drambo”
“Tsongoy fon-tena, tsongoy
fon’olona”.
Tenina Mpanoratra/Mpandinika mikasika ny Rariny:
- Emilson Daniel ANDRIAMALALA, Antsotak 17-18:
“Ny mpandala ny marina ihany
no afaka manao ny rariny”
- Charles RANAIVO,Fiainanalah 94,Oct 1936:
“Ny fananantsika fanahy no
ahaizantsika ny rariny”
“Tsy afaka hanao ny rariny
isika raha tsy mahafantatra ny marina. Ny marina anefa dia efa saro-tadiavina…”
“Tsy misy manana ny rariny
ho an’ny tena ny samy irery raha tsy miaraka amin’ny fahalalana ny rariny ho
an’ny hafa koa.”
- Fety MICHEL, Fanabeazana sy fiainam-pirenena:
“Miha mahazo vahana ankehitriny
ny tsy rariny sy ny toetrara tsy rehetra noho ny fihenan-danjan’ny fatahorana ny
tody”
“Ny mahasarotra ny fampijoroana
ny rariny eto ambonin’ny tany dia ny tsy fetezan’ny antokon’olona sasany hipetraka
eo amin’ny toeran’ny hafa.”
- I.P.A Vakivakim-piainana tak 48:
“An’Andriamanitra ny
fahamarinana fa ny vola no rariny eto an-tany. Mampalahelo izany saingy araka
ny hitako dia izay no zava-misy. Ny tompon’ny fahefana be eto an-tany dia
firenena manan-karena, ny tambatr’orinasa manan-karena, ny fianakaviana
manan-karena, olona manan-karena. Ary io fahefana io no ajorony ho rariny. Ny
rariny kosa indray no hifotoran’ny mariny ary ny mariny no atao hoe marina. Ny
ankoatr’izay, tsy izy! Na raha izy tsy misy lanjany akory.”
- RANDRIANJOANIMANANA Olivier, Singan-kevitry ny mpandinika tak 7:
“Ny tsy fiheverana ny rariny
iombonana no miteraka disadisa eto amintsika ankehitriny”
“Maha talanjona fa toa izay
miezaka hampanjaka ny rariny indray no be mpanenjika eo amin’ny fiaraha-monina”
- RATREMA William, Riba sy lohahevitra:
“Dingana iray ao aorian’ny
fitadiavana ny marina ny fikatsahana ny rariny”
“Ny rariny tonga lafatra
mifanaraka amin’ny zava-misy eo amin’ny tsirairay dia toa nofinofy”.
