Be ny zavatra ao an-tsaiko
Rehefa injay hahita anao
Satry foana re, ry Aiko,
Vonikazo iray nalazo ...
Satriko holazaina anao !
Angano iray mba sendra reko
Hira kely notendreko ...
Satriko holazaina anao !
Zazakely menavava
Maha te hanongo lava
Satriko holazaina anao !
Trano rava sady may
teny ambanivohitray ...
Satriko holazaina anao !
Sarin-dreniko fahiny
Sendra hitako ankehitriny ...
Satriko holazaina anao !
Ilay isika tratra hariva
Raha nijery an'i Tritriva ...
Satriko holazaina anao !
Izany ilay fangitakitako
fony vao ianao no hitako ...
Satriko holazaina anao !
Ny fideran'ireo sakaiza
Ny endrikao hatraiza hatraiza ...
Satriko holazaina anao !
Ny fangatahako miavaka
Ho
anao rehefa hivavaka ...
Satriko holazaina anao !
Satriko izao sy izao
Hotantaraina aminao ...
Kanjo lalina, Rahavako
fa voafatotra ny vavako
Nahoana re no tsy voalazako ?
feno angamba ny fitiavako
Ka oroka mangina ihany
sisa nilazako izany !
Rado