Raha ny loharanom-baovao
iray avy amin’ny ankolafy Ravalomanana dia “efa vitan’ny ministeran’ny
Raharaham-bahiny ny pasipaoron’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc, saingy iniana
giazana.” Ny fanjakana ihany arak’izany no mahalala ny tena antony.
Mampanontany
tena ihany anefa ny antony tena tsy amerenana izany pasipaoro izany amin’ny
tompony. Tena hitondra any amin’ny fitoniana sy ny fampihavam-pirenena tokoa ve
izao fihetsika ataon’ny fitondram-panjakana izao?
Na izany na tsy
izany, miandry ny fandraisana andraikitrin’ny fitondram-panjakana ireo
fikambanana maro izay manomana ny fampihavanam-pirenena. Miandry ny mpanaraka
vaovao ny amin’ny mety ho fihetsikin’ny fitondram-panjakana manoloana ny
hetsika fampihaonana faobe izay hatao ny 20 Aogositra ho avy izao. Sao mantsy dia ho lasa kobaka am-bava fotsiny indray
ity fampivaham-pirenena izay dradradradraina etsy sy eroa ity. Tsiahivina fa ny
filoha teo aloha, Marc Ravalomanana dia efa nilaza fa “efa ela ny tenany no
nivonona ny hody an-tanindrazana, ary tsy matahotra fitsarana mihitsy.”