Maro ny olona mametraka fanontaniana amin’izay
tokony hatao mandritra ny fialan-tsasatra na ny grande vacance. Ny
fotoam-pialan-tsasatra tahaka izao mantsy raha amin’ny zareo vahiny no
anararaotana mianatra momba ny zavakanto. Anisan’ireny ny fianarana mihira, manao
hosodoko, mianatra mitendry sns.
Raha misy ny fahafaha-manao izany, azo itarafana ny
talenta miafin’ny zaza iray ny fampanaovana azy izay kanto mba iriny. Matetika
mantsy, tratra aoriana hatrany isika Malagasy vao mahatsapa fa ilaina ny
fianarana izany zavatra rehetra izany.
Tombony lehibe ho an’ny vahiny ny fananana sekoly
maro fampianarana momba ny zava-kanto ahafaha-misafidy. Ny antsika, ny kely
ananana no ifaliana ka dia hararaoty e.
Norah