Na inona na
inona ambara mikasika ny toerana niavian’ny razambentsika, manana
fitoviana ao anaty fahasamihafana isika Malagasy. Ahitana taratra izany ny
fomba amam-panao sasany, izay mbola misy manatanteraka mandraka ankehitriny.
Anisan’ireny ny “joro”.
Raha tsiahivina, fomba atao ho fangataham-pitahiana
amin’Andriamanitra sy firariana soa amin’ny zavatra izay hatsangana ny “joro”.
Na misy aza ny pitsopitsony tsy itovian’ny foko na faritra tsirairay amin’ny
fanatontosana izany, iraisana ny votoatiny sy ireo dingana lehibe arahina
amin’ny fanaovana “joro”.
Voalohany, tsy afa-misaraka amin’ny fanatanterahana
ity fomba amam-panao malagasy ity ny famonoana omby, na faritra aiza na faritra
aiza io. Eo koa ny fanononam-bavaka, ny fizarana ny hena amin’ny fokonolona,
sns. Ny zava-dehibe hita ho tena mampiray antsika indrindra, ny fakana
santionany amin’ireo karazan-kena mandrafitra ny vatan’ny omby. Ho an’ny foko
sasany, andrahoina ireo ary natokana hohanin’ny Ampanjaka.
Ho an’ny hafa, toy ny hita tany Ampasipotsy
Ranomafana, atono ireo karazan-kena ireo ka tsy asiana sira. Alaina ny
ampahany, rehefa masaka, ary apetraka eo ambony ravin’akondro, izay efa novelarina
tsara eo ambonin’ny fary efa natsatoka tamin’ny tany. Rehefa izay, mihodidina
eo anoloan’ilay fary ny Olobe sy ny lohandohany, mpanatanteraka ny joro, ary
manala satroka sy mivavaka.
Na misy fahasamihafany aza ny fiteny isaky ny
faritra, anisan’ny tsy namela antsika hisara-mianakavy ny fomba
amam-panaontsika.
Landy
R.