"Raha
ny tao amin’ny Sekolim-pirenena famoahana mpitsara sy mpirakidraharaha (ENMG),
raha ny famotorana nataon’ny Bianco: mahatratra 40 tapitrisa Ar any ho any no
notakina tamin’ny olona te hiditra ao..."
Io
no nambaran’ny tale jeneralin’ny Bianco, Andriamifidy Jean-Louis, tamin’ny
mpanao gazety,
teny amin’ny minisiteran’ny Fitsarana, Faravohitra, omaly, momba ny fisian’ny kolikoly tamin’ny fifaninanana hidirana ao amin’ny ENMG tamin’ny taon-dasa.
teny amin’ny minisiteran’ny Fitsarana, Faravohitra, omaly, momba ny fisian’ny kolikoly tamin’ny fifaninanana hidirana ao amin’ny ENMG tamin’ny taon-dasa.
Nisy
ny nandoa vola na kolikoly, nisy ny mahalala olona, araka ny fanazavany. Efa ao
am-pamaranana ny famototrana momba izany ny Bianco. Halefa tsy ho ela eny
amin’ny fitsarana ny raharaha.
Nisy ny lesoka tamin’ny
fifaninanana
Be
ny tsikera momba ny tsy fahamarinan’ny fifaninanana hiditra ao amin’ny ENMG
tamin’ny taon-dasa, na nisy aza fifanaraham-piaraha-miasa nosianiavin’ny
minisiteran’ny Fitsarana sy ny Bianco. Voamarina izany taty aoriana, fa misy ny
mpifaninana tsy manana ny fahaizana takina aminy ka voaroaka.
Tsapa
tamin’izany ny lesoka, tsy nahafahana niantoka ny fahamarinan’ny fifaninanana.
Efa nisy fepetra raisina tsy hiverenan’izany. Tsy miaro fotsiny ny fifaninanana
ny rafitra iadiana amin’ny kolikoly, fa miaro ny mpikarakara sy ny mpifaninana
koa.
Mahaleo tena ny Bianco
Nohamafisin’ny
tale jeneraly fa hambara amin’ny mpanao gazety izay manakantsakana ny Bianco
amin’ny asany. Hahafahana miantoka ny fahaleovantenan’ny Bianco izany.
Rehefa
ny olona ao anaty rafitra no tsy mahaleo tena amin’ny toe-tsaina, tsy hahomby
na inona na inona lalàna apetraka. Na miankina amin’ny fiadidiana ny Repoblika
aza ny rafitry ny Bianco, raha manatanteraka ny fahaleovantena andrasana aminy
ny olona ao anaty rafitra: azo antoka ny
fahaleovantena, araka ny fanazavany.
Vao
hiditra ho mpiofana ho mpitsara dia manao kolikoly? Tsy mahagaga raha ny
sehatry ny fitsarana no anisan’ny mahabe fitarainana indrindra momba ny
raharaha kolikoly.
R.
Nd.
Vita sonia ny fifanarahana vaovao
Vita
sonia ny fifanarahan’ny minisiteran’ny Fitsarana sy ny minisiteran’ny
Asam-panjakana ary ny Bianco, teny amin’ny minisiteran’ny Fitsarana,
Faravohitra, omaly. Izany dia momba ny fiarovana ny fahamarinan’ny fifaninanana
hidirana ao amin’ny ENMG sy ny Sekolim-pirenena famoahana mpandraharaha ny
fonja (Enap).
Voarakitra
amin’izany ny foto-kevi-dehibe tsy maintsy hajain’ny rehetra, ny antoka omen’ny
tsirairay hahalavorary ny fifaninanana, araka ny fanazavan’ny minisitry ny
Fitsarana, Ramanantenasoa Noëline. Eo koa ny tatitra tsy maintsy atao, ny fomba
arahina raha misy olana, ary ny fomba fampiharana ny fifanarahana.