Misy
karazany roa ny Hémorroïde na ny Kambo-tsinay, dia ny Hémorroïde anatiny (interne)
sy ny Hémorroïde ivelany (externe).
Ny
Hémorroïde ivelany (externe) matetika dia mora hita, tsy ilaina fitiliana na diagnostic
fa avy hatrany dia fantatr’ilay olona voany satria tsapa ho misy tsinay mivoaka
manaraka an ilay maloto avy any anaty tsinay rehefa amin’ny fotoana andehanana
mivoaka (mikàkà na mangery). Ny Hémorroïde anatiny (interne) indray dia
fivontosana any anaty tsinay any izay ny fitiliana irery ihany no afaka
mamaritra azy.
Ny Antony mety maha tonga azy
ireo:
Matetika
ny Olona mitohana na tsy mivôaka (mikàkà na mangery) ara-dalàna nohon’ny:
1.
Ny tsy fahampiany Sakafo misy Faka (Fibres)
Legioma sy Voankazo.
2.
Ny tsy fahampian-drano Sotroina.
3.
Ny Asa mipetraka foana.
Ny Tokony hatao:
1.
Mila mitandrina amin’ireo rehetra izay voalaza
etsy ambony.
2.
Raha toa ka efa ao ilay aretina dia andramo ity
fa mety hanampy anao:
N.B.
Mitadiava Ravina Karoty.
Fomba
fampiasana azy:
1.
Mampangotraka Rano 1 Litatra.
2.
Arotsaka ao ny ravina Karoty voatetika (tokony
ho 5 Sotro)
3.
Rehefa avy narotsaka ao ilay ravina Karoty dia Esorina
eny ambony Fatana ilay rano mangotraka ka avela hangatsiaka.
4.
Misotro 1 Vera ny maraina vao mifoha; 1 Vera ny
hariva alohan'ny hatory.
5.
Tsy misy fetrany fa tohizo foana mandram-pahasitrana.
Izay aloha fa dia mirary
fahasalamana tanteraka!

Aucun commentaire:
Publier un commentaire