Tompokolahy sy Tompokovavy
Ny tonga tsy miarahaba hono, naman’ny
tezitra. Ny arahabaina tsy mamaly naman’ny sosotra. Koa ny voalohan-teninay dia
ny fiarahabana anareo, nandray anay amin’ity tokantrano ity. Arahaba tsara
tompokolahy arahaba tsara tompokovavy.
Manaraka izany, ny andraso andraso hono
maha hariva andro.
Ny andao andao maha very entana
Nefa na maika aza tsy hitondra entana
tsy voafehy.
Koa marina fa ny amin’ny fotoana tahaka
izao, dia ny fianakaviana avy aty amin’ny zatovolahy no andrasana, nefa ny
manotany tsy ananan-tsiny tompoko ka aleo hono tompoko manontanitany foana
hihomehezana toy izay manaontao foana ho tezerana, efa eto ve ireo angady
mahatapak’ahitra antsy mahorom-bilona ireo solontenan’ny fianakaviana
mahatapa-kevitra hahafahantsika miroso amin’ny dinika sa mbola misy ny
andrasana? Raha toa ka efa eto izy ireo tompoko dia hatombotsika ny dinika,
raha toa moa mbola misy ny andrasana dia zanaky ny fanantenana izahay ka mbola
vonona ny hiandry. Misaotra tompoko!