LAZA ADINA I: (Isa 6)
1) Milazà
tara-kevitra roa iombonanan’ny asa soratr’i J.J. RABEARIVELO sy Samuel RATANY.
2) Hazavao
anatin’ny andalana tsy mihoatra ny dimy fa mpiantoka ny velona ny razana
A. Famakafakan-kevitra
Hoy ny
mpandinika iray: tsy ilaina ny literatiora, satria ny onjan’ny nofinofy voiziny
dia misavina mpandrendrikany lakan’ny fampandrosoana ny fiaraha-monina. Fakafakao
sy tsikerao
B. Fanadihadiana lahatsoratra
(…) Lehilahy
efa mba teny amin’ny oniversite ve dia hanao boton’olona? Tsy rariny kosa izany.
Fa
ngaha ny maha-lehilahy lehibe teny amin’ny oniversite” ahy hahitako ny hohaniko
isan’andro? Ary inona intsony moa izay rariny e? Ny miasa an-trano no mba haiko
sy mora hahitana asa.Izay no anjara tratrako.
Marina
kanjo ny anao! Tena mampalahelo isika tanora ankehitriny. Mba nianatra ihany.
Mba nandanian’ireo ray aman-drenintsika fatotra amam- pondrana ihany… nefa dia
izao: tsy an’asa fahiny, rehefa miteny I dada mialohany taom-pianarana vaovao
dia hoe: mianara tsara ! Tsy mba manan-kolovana afa-tsy ny fahaizana ianareo.
Mianara
dia ho tafita! Ankehitriny anefa toa izay nianatra indray no rendrika. (…….)
Izany
anie no ilazako hoe: Tsy hitako intsony izay rariny! Raha ny fikirizako fahiny
ry menja, tsy haniry izay ho mpiasa an-trano mihitsy aho!tsy izany velively ny
tanjoko (…..) saingy resy e! Ny hahita
izay sitrany ahay vaza-mihetsika sisa (……)