Écrit
par Taratra
tataovana TVA ny fanafarana azy avy any ivelany sy ny fivarotana azy amin’ny mpiompy. Mazava ho azy fa tsy maintsy ampidirin’ny mpandraharaha any amin’ny fitantanany ny kaontim-bolany ireo, ary hiakatra ho azy ny vidiny ho an’ny mpiompy, izay hiantraika any amin’ny mpanjifa.
Araka ny fepetra efa noraisin’ny
sampandraharahan’ny hetra, tsy maintsy ampiasaina ny faktiora eo amin’ny
fifampiraharahana ara-barotra. Anarivony ny mpandraharaha madinika miompy akoho
eto amintsika, ary tsy aty an-tanàn-dehibe ihany fa miparitaka manerana ny
faritra. Midika izany fa hihahenjana ny fanaraha-maso ny fitantanam-bolan’izy
ireny, ary niaraha-nahita ny fanoherana nataon’ny mpivarotra mpamongady.
Tataovana
20% ny mikarama 250.000 Ar
Ankoatra izany, fepetra vaovao
nofaritan’ity Tetibola 2014 nasiam-panovana ity koa ny karama raisin’ny mpiasa
raikitra. Tataovana 2.000 Ar isam-bolana isaka ny mpiasa, ho an’ireo mandray
karama mitovy na latsaky ny 250.000 Ar. Io ilay antsoina hoe « Hetra avy
amin’ny fidiram-bolan’ny mpiasa » (Irsa). Mijanona ho 20%-n’ny karama raisina
kosa ny Irsa ho an’ny ireo mandray mihoatra ny 250.000 Ar isam-bolana.
Raha ireo no aravona, midika izany fa
mitady ny fomba rehetra hahazoam-bola ny fanjakana. Saingy, tsikaritra fa ireo
sokajin’olona hita fa voaara-maso no hitakiam-bola, fa tsy misy ny politika
mazava ho an’ireo mampidi-bola betsaka nefa tsy voafehy. Singanina amin’izany,
manana ny zo fiarovana ara-tsosialy ve ny mpiasa eny amin’ny sehatra hafa
rehetra, toy ny lafiny fitaterana, raha tsy hitanisa afa-tsy ny mpamily sy ny
mpanampy, ohatra, ny mpamongady ?
Njaka A.