Georges ANDRIAMANTENA no tena anarany, saingy fantatra tamin’ny anarana hoe “Rado”.
Teraka ny 01 Oktobra 1923, faralahy amin' izy dimy naterak' i Gaston Andriamanantena sy Razafindrafara Ray aman-dReniny. Fito taona izy no niditra nianatra tao amin' ny sekolim-panjakana tao Faravohitra. Efa-taona taorian' izay no nahalasana ny reniny ka nampitombo ny hambon-pony.
Tamin' ny taona 1933 no nanohy ny
fianarany tao Ambohijatovo Atsimo i Rado talohan' ny nifindrany tao amin' ny
Kolejy Paul Minault tamin' ny taona 1942. Anisan' ny olona nobeazin-dry Pasitora Ravelojaona, izay fantatra noho ny fitiava-tanindrazana sy Alphonse
Ravoajanahary anisan' ireo mpanoratra sangany teo amin' ny tantaran' ny
literatiora malagasy ka izany no anisan' ny nampivotara ny firehany hitia bebe
kokoa ny lieratiora. Iray taona taorian' io no nidirany teo amin' ny sehatry ny
asa ka tao amin' ny La Préservatrice, orinasa mpiahy iray teto an-drenivohitra,
no nanombohany izany; Mpanamarin-kaonty no anjara asany tamin'izany.
Enin-taona taorian' io dia niasa tao amin' ny trano printy protestanta Imarivolanitra nandritry ny folo taona i Rado talohan' ny nanohizany indray ny asa fanaovan-gazety; Ny taona 1978 izy no nitsahatra tamin'izany. 29 Janoary 1988, tafiditra ho mpikambana tao amin' ny akademia malagasy ny tenany. Mpikambana raikitra tao amin' ny fikambanan'ny Mpanoratra malagasy Havatsa-UPEM.
Sangan'asa folo mirakitra ny tononkalony
no rantovina ao amin' ny fandaharam-pianarana malagasy amin'izao fotoana
izao.
Mpanoratra, poeta, mpanao gazety, mpanao sary, mpamoron-kira, mpikabary ary nitolona sy nanokana ny fiainany tamin' ny fiarovana ny zon' olombelona sy ny fanandratana avo ny literatiora Malagasy i Rado, to ny làlana voafaritry ny ao ambony hodiaviny ka ny 15 Septambra 2008 no nandaozan’ny nofony ny tontolon' ny velona, fa ny fanahiny kosa mbola hamonto ny fanahintsika ary ny aingany miaina any anatin' ny fon' ny malagasy rehetra.

- TsyMaty
- Hafatra
- Tsy misy
- Tia
- Boboka.