Na misy aza sedra tsy maintsy setraiko
Manao hosivoanjo ny fiaina-maliako
Mainka hijoro ny fo sy ny saiko
Na inona ronjon'ireo herisetra
Masiaka fifioka manao sesilany
Iaretako ireny satria manam-petra
Fa rivo-mandalo miserana ihany.
Izao no finoako ato anatiko ato
Na mbola mijaly aza aho ka misaona:
Tsy misy havandra hijanon-ko vato
Tsy misy ririnina mandavan-taona.
Rado, 10 septambra 1993