Écrit
par Taratra
Mikatsaka mafy ny fomba hahazoana ny fon’i Afrika ny
Eoropeanina. Raha ny zava-misy anefa, tsy tanteraka ny kajy nataon’ireo
firenena ao anatin’ny Vondrona
eorpeanina (UE), manoloana ny fisian’ny firenen-kafa, toa an’Etazonia, ny firenena matanjaka hafa sy/na vao misondrotra, toa an’ireo faritana hoe Brics (Brezila, Rosia, India, Sina, Afrika Atsimo). Miaiky anefa ny UE fa mpiara-miombona antoka tsy azo ihodivirana i Afrika, saingy mila hatsaraina ny fiara-miasa. Niaiky i Eoropa fa tsy ampy intsony ny fijerena ny lafiny politika sy diplomasia, fa tokony hifantohana bebe kokoa ny ara-toekarena, indrindra ny lafiny indostria.

Eo amin’ny lafiny fotodrafitrasa, ohatra,
ilana tetibola hatrany amin’ny 100 miliara dolara i Afrika. Nahatratra 43
miliara dolara ny fampiasam-bolan’ny mpandraharaha tsy miankina (IDE).
Notsorin’ny UE fa tokony hahitsy ny
paikady hiaraha-miasa amin’ny firenena afrikanina, ka tokony homen-danja kokoa
ny sehatra tsy miankina. Ao anatin’izany ny fanohanana azy ireo ara-bola, ny
fanomezan-danja ny mpiasa afrikanina, ny tohana amin’ny fampindramam-bola, ny
fitantanana ny asa manasoa ny vahoaka ary indrindra, ny fametrahana ny
fitantanana mangarahara. Ao anatin’ity farany ny ady amin’ny kolikoly sy ny
fanomezana tsena tsy ara-dalàna, izay tombanana hatrany amin’ny 840 miliara
dolara tato anatin’ny 40 taona.
Njaka A.