Tranga iray tsy dia fahita loatra no niseho tamin’ity raim-pianakaviana iray tany Kansas, Etazonia ity, ny 24
Jolay lasa teo. Hadinony tao anatin’ny
fiara ny zanany vavy kely izay vao 10 volana monja raha toa ka nandeha nijery
horon-tsary “Game of Thrones”
niaraka tamin’ny namany izy. Noho ny fahitany zazakely nitomany tao anatin’ilay horonan-tsary no nahatsiahivany fa tavela any anaty fiara ilay zanany.
niaraka tamin’ny namany izy. Noho ny fahitany zazakely nitomany tao anatin’ilay horonan-tsary no nahatsiahivany fa tavela any anaty fiara ilay zanany.
Tsy avotra intsony ny ain’ilay zazavavikely
Na dia teo aza
ny fikoropahana sy ny famonjena natao an’ilay zaza dia tsy avotra intsony ny
ainy nohon’ny hafanana be loatra tany an-toerana. Raha ny fantatra mantsy dia
teo ho eo amin’ny 300 ny
mari-pana tao ivelany. Nanampy tsotraka ihany koa ny fihidian’ireo
varavaran-kely rehetran’ilay fiara. Aiza ny fitiavan-dray amandreny manoloana
ny trangan-javatra ohatran an’izao?