Seho
« best of ». Izay no tian’ny mpikarakara hitondrana ny fiakarana an-tsehatra
hataon’i Samoëla, ny zoma 25 jolay izao manomboka amin’ny 9 ora alina, eny
amin’ny Amitié Fandian Ankadindramamy.
Araka izany, ireo hira heverina fa nankafizin’ny maro indrindra, nandritra izay 17 taona nizaran’i Samoëla ny mozikany izay no hangatahana aminy haveriny. Mazava ho azy hitamberina indray ireo hira nanamarika ny niandohan’ity mpanakanto ity, izay voarakitra tao anatin’ny rakikira « Mampirevy ». Anisan’ireny ny « Havako mamomamo », « Sexy girl », « Tsy zakan’ny tsena », sns. Holalovana avy eo ireo hira ao anatin’ny « Manatosaka », « Efa sy 5 », « Ty », « Efa sy 10 », « Zana-bahoaka » sy ny « Mahadomelina », izay nivoaka tamin’ny taon-dasa.

Tsy
lany akory ny hira vaovao, ary misy santionany zarain’i Samoëla hatrany isaky
ny manao fampisehoana izy, saingy andrasan’ny mpankafy foana ireo hira tsy lefy
laza.
Anisan’ny
paikadin’ny mpikarakara ny hetsika ao amin’ny Amitié Fandian ny fanaovana
fanadihadiana izay mety handrasan’ny mpankafy mialoha.
Zo
ny Aina