Niha nafotaka ny fanehoan-kevitra tamin’ireo pejy sy
vondrona Facebook isan-karazany manoloana indrindra ny fitazonana am-ponja ny
Talen’ny famoahana eo anivon’ny gazety Madagascar Matin sy ny mpanao gazety
iray ao amin’ity gazety ity.
Anisany fihetsika nasehon’ny mpanao
« Facebook » maro ny fampitoviana sary famantarana na « photo de
profil ». Sary izay maneho tanana milaza hoe : « aza
elingelenina ny fahalalahako miteny ». Eo koa ireo nisafidy sary maneho
mpanao gazety ao am-ponja. Miombom-peo amin’ny mpanao gazety ihany koa, araka
izany, ireo mpiserasera amin’ny Facebook. Nafana ny tambajotra Facebook ary
nafana ny antsoantso amin’ny tokony hamotsorana tsy misy fepetra ireo mpanao
gazety roa lahy ireo. Tsikaritra koa fa tsy ireo mpanao « Facebook »
monina eto Madagasikara ihany no manaraka akaiky izao raharaha antsojay mahazo
ny mpanao gazety izao, fa manaraka akaiky ary naneho ny heviny koa ireo
Malagasy monina any ivelany ary ao anatin’izany ireo zanak’ i Toamasina mila
ravinahitra any ivelany.
Kamy
