Lalàna momba ny cybercriminalité à Madagascar
Article 20:
“Ny
ompa, na fanalam-baraka atao amin’mpitondra fanjakana, ny fitsarana, ny
miaramila, ny fandraharaham-panjakana, ny mpikambana ao amin’ny governemanta,
na ny solombavambahoaka, ny mpiasam-panjakana, na ireo olom-pirenena nirahina
hamita asam-panjakana, ny vavolombelona nametraka fitoriana,
amin’ny alalan’ny
kabary, na hiaka, na fampitahorana atao amin’ny toerana na fivoriana azon’ny
rehetra hatrehina, na amin’alalan’ny soratra, na sary, na kisary, na
sarisikotra, na sary famantarana, na izay rehetra azo hanoratana, na
hitenenina, hanehoana sary, amidy na zaraina na hampirantiana amin’ny toerana
na fivoriana azon’ny rehetra hatrehina, na amin’ny afisy azon’ny rehetra
vakiana, na amin’ny alalan’ny solosaina dia hosaziana 2 taona hatramin’ny 5
taona an-tranomaizina miampy lamandy 2 tapitritra hatramin’100 tapitrisa ariary
na iray amin’ireo sazy ireo.”
“Ny
ompa atao amin’ny olon-tsotra amin’alalan’ny informatika na eletronika, rehefa
tsy nialohavan’ny fihantsiana, dia hosaziana enim-bolana hatramin’5 taona
antranomaizina ary mandoa iray hetsy hatramin’ny 10 tapitrisa ariary, na iray
amin’ireo sazy ireo ihany.”
“Ny
ompa atao amin’ny alalan’ireo voalaza eo ambony ireo, amin’ny olona, na vondron’olona
nohon’ny maha lehilahy na maha vevehivavy azy, noho ny kilema, nohon’ny
fihaviana, nohon’ny foko misy azy na tsia, nohon’ny maha avy amin’ny firenena
iray azy, na nohon’ny finoana ananany, dia hosaziana 2 hatramin’ny 10 taona
miampy lamandy 2 tapitrisa ariary hatramin’ny 100 tapitrisa ariary na iray amin’ireo
sazy ireo.”
amin’ny alalan’ny kabary, na hiaka, na fampitahorana atao amin’ny toerana na fivoriana azon’ny rehetra hatrehina, na amin’alalan’ny soratra, na sary, na kisary, na sarisikotra, na sary famantarana, na izay rehetra azo hanoratana, na hitenenina, hanehoana sary, amidy na zaraina na hampirantiana amin’ny toerana na fivoriana azon’ny rehetra hatrehina, na amin’ny afisy azon’ny rehetra vakiana, na amin’ny alalan’ny solosaina dia hosaziana 2 taona hatramin’ny 5 taona an-tranomaizina miampy lamandy 2 tapitritra hatramin’100 tapitrisa ariary na iray amin’ireo sazy ireo.”