Nanomboka ny talata teo, ny « Herinandro natokana ho
an’ny fahasalaman’ny nify sy ny ativava ». Tetsy amin’ny CDA Andohatapenaka no
anatanterahana izany ho an’ny eto Antananarivo.
Tsikaritry ny mpitsabo nify fa mifampiankina betsaka ny fanjarian-tsakafo sy ny fahasalaman’ny nify sy ny ativava. Potika ny nifin’ny ankamaroan’ny ankizy tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo. Miteraka aretina betsaka ao anatin’ny vatana anefa ny aretin’ny nify. Voalohany amin’izany ny aretin’ny fandevonan-kanina.

Rehefa misy mikraoba ao amin’ny nify marary, mety
hanaraka ny lalan-kanina izany ka ho tonga ao amin’ny vavony. Indraindray,
tonga any amin’ny tsinay sy ny aty mihitsy aza. Mety hiakatra any amin’ny loha
ihany koa ny mikraoba ka tena mila mitandrina.
Mba hisorohana ireo karazan’aretina ireo, araka
izany, tokony ho salama tsara ny nify sy ny ativava. Tokony hanao fizahana
indroa isan-taona any amin’ny mpitsabo nify ny ankizy na olon-dehibe iray. Mila
misakafo ara-pahasalamana tsara ihany koa. Mahasalama ny nify ny fihinanana
sakafo be vitamina, proteina ary sokay.
Ankoatra izany, tsy tokony hatao ambanin-javatra ny
fikarakarana ny nify isan’andro. Mila miborosy nify rehefa avy misakafo mba tsy
hanangona ny mikraoba ao anaty vava. Fadina ihany koa ny mihinana mamy matetika
mba tsy hanapotika ny nify.
Raha ny salanisa, manodidina ny 8.000 ireo ankizy
latsaky ny 15 taona notsaboina nify teto
Antananarivo tao anatin’ny telo volana. Niisa 20.000 kosa ireo tanora nandalo
fitsaboana.
« Ao anatin’ny fialan-tsasatra ny ankizy,
ankehitriny, ka fotoana hanararaotana ny fitsaboana ny nifin’izy ireo izao »,
hoy ny dokotera. Esorina avy hatrany izay nify tena potika tanteraka ka tsy
afaka miasa intsony. Ezahina tsaboina kosa izay mbola azo avotana.
Tatiana
A